Fiarahabana (Haingo Erica)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny voalohan-teny dia izao
Fiarahabana no atolotro anao
Mankasitraka nandray ny fanasàna
Enganie isika mba samy ho salama

Manarak’izany ihany koa
Faly miarahaba anao tonga soa
Isaoratsika Andriamanitra Ray
Nampihaona antsika eto indray

Dia hoy aho manontany anao
Inona no maresaka sy vaovao?
Ny aty amiko tsy dia misy hambara firy
Fa ny hatsiaka aty no mamirifiry

Ho anao izay te hahafantatra nefa tsy sahy…
Io Haingo io , anarako gasy azo iantsoana ahy
Ato isika no afaka mifampiantso hoatr’izay
Fa mety miova koa io rehefa tonga any aminay

Ny ankoatr’izay aleo mba tsy ho lazaina
Fa mba fiainako manokana tsy azoko zaraina
Ho anao kosa anefa raha azo atao
Mba iza no anaranao ato tiana hiantsoana anao?

Ato mantsy isika hiezaka hifampizara
Hifampilaza vaovao , dia ny soa sy ny tsara
Ny mba hany anafarako dia ny hoe
Ny fahaizana mifanaja no zava-dehibe

Ny tsy fitovian-kevitra, tsy natao hifanalàna baraka
Ny faniriana dia mba ho ny FITIAVANA no manjàka
Na tsy mitovy fiaviana isika, na Finoana samihafa
Fadio dia fadio ny hanaratsy ny an’ny hafa

Olombelona ny tenako, tsy mendrika ,tsy lavorary
Fa matoky kosa ny fahasoavan’Izy Tompo Ilay Mpahary
Ny soa vitan’ny hafa hono mendrika ho tahafina
Koa raha misy tsy dia mazava, aoka mba ho hafatra miafina

Izay ary aloha fa ny masoandro efa iva
Koa ny fahasoavan’ny Tompo anie homba anao mandrakariva
Enganie isika mba samy hiadam-pinaritra
Mirary soa indrindra dia samia ho tahian’Andriamanitra

Haingo Erica
05 / 12 /2021
--------
Rohy:
832 1
Mpakafy: TononkaloNM
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Haingo Erica
Nampiditra : hery
Daty : 04/02/2022 14:40
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016