You are here: home > Vetso

Mba vonjeo - Haingo Erica

Azo vakiana?

Mba vonjeo ry Tompo
Ity Tanindrazanay
Fa mandalo fitsapàna
Fitsapàna mahamay

Rano be sy rivo-doza
Vao tsy ela akory izay
Dia indro tamy koa
Inty atao hoe “ Batsirai ”

Amin’izay manao be fiavy
Tsy mba azo nosakanana
Tsy mba toy ny mpianakavy
Mety hamitranam-pihavanana

Koa na dia hiangaviana izy
Efa fantatro fa tsy hety
Tsy mba azo nifanarahana hoe
Aza miditra an-tanety

Dia mandeha indray ny resaka
Samy manana ny fitantarany
Ny fahotana vitantsika ve no, betsaka
Sa manakaiky ny andro farany?

Eny , Olombelona izahay
Ekeko fa manam-pahotàna
Fa raha “dimampolo ny olomarina
Dia  haringanao ve ny Tanàna?

Tsia, tsy  toy izany Ianao ry Tompo
Fa be Fitiavana ianao
Mamindrà fo aminay Mpanompo
Mba ho afaka amin’izao loza izao

Ny fibebahana izahay
Mba efa manao izay ho afaka
Mbola lavo anefa indraindray
Mandia tany ka solafaka

Koa ny angatahinay
Ry Ray ao ambony
Tsy dia ny hoe
Mba tsy hisian’ny loza intsony

Fa ireny tsy ho azonay hidifiana
Na dia mampaharary
Satria ny  Rivo-doza
Dia loza voajanahary

Izao no mba  fangatahanay
Arovy hatrany izahay ry Ray
Hamafiso ny Finoanay
Tsy hisaraka aminao mandrakizay

Haingo Erica
05 Febroary 2022

Sokajy : Tanindrazana