You are here: home > Vetso

Tena namako ianao - Haingo Erica

Tena namako ianao,
Fa tsy mandao n’aiza n’aiza
Tsy mba irony antsoina hoe sakaiza
Nefa manao toky fitaka
Rehefa sendra ny sarotra
Izy lasa misitaka

Tena namako ianao
Fa teo foana na dia androm-pahoriana
Tsy mba ireny atao hoe namana tiana
Feno fanomezan-toky sy tetik’asa
Fa vao mahita akanga tsara soratra
Dia lasa…

Tena namako ianao
na dia tsy antsoiko hoe malala
Tsy mba irony mpanadala
Toa manintona ivelany
Fa rehefa tafiditra
misidina izy fa manana ny elany

Tena namako ianao,
Tena namana mahafinaritra
Fa hatramin’izay isika niara-niaritra
Ka rehefa izaho tojo olana mihantra
Dia ianao no malahelo
sy maratra

Tena namako ianao,
Fa tsy irony namana taloha
Tsy miasa saina, tsy mivaky loha
Mamilafila, mampijaly
Rehefa misy tombontsoany
vao miantso sy mamaly

Tena namako ianao,
Fa isan’andro isika mifanotsafa
Tsy mba toy ireo namana hafa
Mihambo ho tonga lafatra
Nefa indray mandeha isaky ny fety
Vao mba ahazoana hafatra…

Tena namako ianao
Tena namako tokoa
Fa mitarika ahy amin’izay mahasoa
Tsy misorona fa mijoro
Rahefa misy tsy mety ataoko
Dia ianao mananatra sy manoro

Tena namako ianao
Tsy mba namana mpampahory ny osa
Tia manenjika sy mifosafosa
Fady anao ny hoe handatsa
Na koa
Hanao havana raha misy patsa

Tena namako ianao
Fa mitarika ahy amin’ny làla-marina
Raha sendra lavo aho
Ianao manarina
Tsy toy ireo mora mivadika
Mpitsikera sy mpanakora ambadika

Tena namako ianao,
Fa tia ahy foana amin’ny endrika mirana
Na tsy afaka mamaly antso aho
fa sahirana
Ka tsapako tamin’izay
Fa hay ny fo ny antsika no mifandray

Haingo Erica
28/07/2021