Izany ka vehivavy (Haingo Erica)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miaiky anao aho ry vehivavy
Amin’izato fahamendrehanao

Vehivavy tena tsara
Reharehan’ i Gasikara
Tsy mba misy mampiahiahy
Fa sady tsotra no tsara fanahy

Tena vehivavy idealy
Fady azy ny hoe hampijaly
Mahazaka miaritra ny mafy
Mahay mandefitra, mahay mihafy

Tsy dia hoe resaka fahalemena
Fa noho izy mahay manaja tena
Dia mahay mifehy ny fahatezerana
Fa volamena miafina ny fandeferana

Vehivavy tia fivoarana
Tsy mba fotsy varavarana
Be herim-po fa tsy kanosa
Lavitra azy ny ho tia fosa

Mahazaka fitsapana
Manoloana ny hadalana
Dia ny hadalan’ireo Mpamitaka
Mpandositra adidy sy misitaka

Sanatria izay hoe hikoro
Tsy kivy fa mbola mijoro
Manao izay hahatafita ny zanaka
Tena vehivavy tsara faka taranaka

Ny fitiavana moa tsy an-tery
Ka misy ireo mitaiza zaza irery
Tsy misy an’iza hitarainana
Fa dia vitany ny miatrika ny fiainana

Miaiky anao aho ry vehivavy
Amin’izato Andraikitrao

Manenjika an’izao sy izao
Fa hatramin’izay ka hatramin’izao
Miherika etsy sy eroa
Mikatsaka izay mety hahasoa

Mikarakara tokantrano
Manasa lamba , matsaka rano
Tsy mianona fotsiny amin’izay
Fa mandray vahiny koa indraindray

Maro herehina na aiza na aiza
Mahandro sakafo sy mitaiza
Asa maro sesehena
Maka mpianatra, miantsena…

Raha hotanisaiko eto daholo
Ny asa ataony manontolo
Dia na ny peniko tsy haharaka angamba
Fa mba anjaranao ny mameno ny banga…

Marina fa tsy misy Anjely
Fa vehivavy toy izany kosa, modely
Fitaratra ho an’ny be sy ny maro
Fa tsy voagejan’ny hasarota-piaro

Miezaka mitsiky sady mirana
Na dia misy ny zava- manahirana
Mitondra am-bavaka azy ireo isika mianakavy
Fa Izany ka tena Vehivavy

Ny 08 martsa, andro soa sarobidy
Fetintsika androany ka tsara ho tadidy
Koa miarahaba anareo Andriambavilanitra
Mirary soa dia samia ho tahian’Andriamanitra

Haingo Erica
08 Martsa 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Vehivavy
766 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Haingo Erica
Nampiditra : hery
Daty : 08/03/2022 22:19
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099