Vavaka ho an'ny firenena (Haingo Erica)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mivavaka ianao
Ho an’ity Firenena
Mahantra , mahonena
Dia mivavaha koa
Ho an’ireo izay tia manilika
Sy manambaka ny madinika

Raha mitalaho ianao,
Ho an’ireo olona mitaraina
Marary, namoy ny aina
Dia mba tsarovy koa
Ireo tsy mba misy mpitsetra
Iharan’ny herisetra

Raha malahelo ianao
Noho ireo kamboty tsy fidiny
Mizaka sahady ny ngidiny
Dia alahelovy koa
Ireo mpanary zanaka
Tsy mahatsapa ny hasarobidin’ny taranaka

Raha maika ianao
Handeha any am-piangonana
Nefa ao am-po mbola feno fialonana
Izay vavaka hataonao tsy hosakanana
Fa ilaina ihany koa
Ny fitiava-namana

Raha lavorary ianao
Ka mahasahy mitafa
Hoe
Tena diso ny hafa
Ampio izy fa angamba rano raraka iny
Fa tsy dia natao hifanomezan-tsiny

Raha mitalaho Ianao
Amin’ny ao Ambony
Mba tsy hisian’ny loza intsony
Dia iangavio koa ny olona
Hiala amin’ny fahazaran-dratsy
Mifankahala sy mifanaratsy

Raha ontsa ianao
ka mitomany
Mahatsapa fa fandalovana tokoa ny tany
Mitodiha
Amin’Andriamanitra Ray
Fa any no hiafaran-tsika rahatrizay

Mankasitraka amin’ny fifanomezan-tanana
Fa izany tokoa no mariky ny fihavanana
Maro ireo tra-boina
Tsy mba manan-ko hantsoina
Koa enga anie ireny vitanareo ireny
Honeran’Izy Tompo avo zato heny

Mitalaho aminao izahay ry Tompo Zanahary
Mamelà ny helokay na dia tsy lavorary
Mpanota izahay,fa aza ny hadisoanay no jerena
Mba amindrao fo raha sitrakao, ity Firenena
Ry malagasy namako ô, ny loza mihantra efa goavana
Koa samia mitalaho, mivavaka ho an’ny Tanindrazana

Haingo Erica
25 Janoary 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Firenena - Tanindrazana
759 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Haingo Erica
Nampiditra : hery
Daty : 04/02/2022 14:20
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014