iny zandriko iny (heritreritro)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra ô

Na inona na inona mba tiako sy niriako
Na toa inon’ihany koa lanjan’ny hazo fijaliako
Izay anjara fahasoavako, raha mety Ianao aleo atambatra
Anandratana ny zandriko ho tonga olon-tsambatra

Vao nijanona ny fony, tamin’iny andro iny
Tapitra tsy nisy intsony ny ampitsoko sy ankehitriny
Foana sady babangoana, ny ora, ny andro, ny fotoana
Rako-drahona ny lanitra ato ato am-poko ry Andriamanitra

Indro ranomasim-be, mangatsiaka sady lalina
Ny alaheloko azy iny isan'andro isan'alina
Efa mila tsy ho tanty fa mihandrona ato am-po
Mampitritra ahy ato anaty, ... hiantrao aho Jesoa

Ary iny olona iny, sy izay fahefany ety,
Mihevitr’ho tsy manantsiny sy afaka mirihariha
Ireo nanaiky nolembenany ka jamban’ny harenany
“Hanary ny ainy hoy Ianao izay manavotra ny tenany”

Aoka Ianao, Ianao irery, ry Andriamanitra mahery
Mpihantra ny mahantra, mpanasitrana ny fery
Hitsara azy ka hamaly ho an’ny fo izay mijaly
Miandrandra Anao mangina, handray an'iny zandriko iny.
--------
Rohy:
1682 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106