TSY AO IZY! - hjravs
Azo vakiana?
TSY AO IZY!!
(Atolotra ho an'i Z..., mpanao trano,
ampiarahana amin'ilay hiran'i "ZOPANAGE: Namana")
Izy, letsy namana
mpanolotolo-tanana,
tsy nanana fandavana
raha nisy nitadiavana,
sakaiza mahatoky
mpananatra toa zoky,
azo antoka ho andry
'lay faniraka toa zandry.
Fa matetika dinganina,
indraindray hodiana fanina,
raha misy nitarainany
ho tsy ampy tamin'ny fiainany!
Izy, ho'aho 'lay sakaiza,
nanampy hatraiza hatraiza
tanivon-java-tsarotra,
tsy nanisy, hoe, adi-varotra,
tsy nila niangaviana
raha nitadivam-panampiana,
be fandavan-tena
raha nilàna famonjena.
Fa izy tsy nananana
henamasom-bali-tanana,
nihodinana mazàna
fa mamofom-pahantrana!
Lasana izy iny,
nentiny any koa 'lay sombim-panampiany,
vao mahatsiaro fahabangana
ny bandy akama
eto an-tanàna,
fa tsapa mihitsy izao
'lay izy hoe "Tsy ao!"
HjRavs (Kanto arindra tak. 41)
Hevitra mandeha
andry 1000 (03/04/2015 04:18:46)
tsy ao izy fa aiza ? tena le fiainana mihintsy zany tantarainareo izany a !!! azo antoka ho andry
'lay faniraka toa zandry.
Fa matetika dinganina,
indraindray hodiana fanina
tena io mihintsy ny fanaonay taminy mbola kely
hjravs (03/04/2015 04:23:00)
Fa tsy tamin'ny mbola kely ihany, RaAndry 1000, fa ny namana tena namana tsy manary amin'ny sarotra e!
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 03/04/2015
Mpamangy : 785
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RESAKA MISY VOLOMBAVAA F A P O T O R Y
AMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY...
FITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO