" ANJA KELY ! " (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANJA KELY

Hafaliana moa izany
Ny an'ty Raneny iray
Raha 'nde hitsena ito zanany....
Avy any an-dafy hono mantsy
Ka mba hody an-tanindrazana
F'efa vita ny fianarany.....

Tsy tao an-tsainy kely akory
Izany hoe "hisasa tava",
na ny "hanala akanjo mandriny";
Fa, io niarina am-pandriana
Dia namokovoko mafy....
Eny an-tseranana no tanjony!.

Nony tonga teny izy?
Tena sempotra izaitsizy.

Nipetraka izy avy eo....
Dia niandry ire mpandeha,
...Natsangany ny tanany!
Inoany hono mantsy
fa misy fifandraisany
ny azy sy ny an-janany.

Tonga saina izy avy eo fa:
Tapitra efa lasa
ny mpandeha an-draopilanina.
F'ito zanany nankaiza?
Tsy fantany 'ty mamany
Sa, mba nodiany fanina?...

Niato kely izy
f'injay fanamafisam-peo
nilaza vaovao:
"mmm...Raopilanina iray
avy ao an-dafy ao
nianjera anikaheo!
Ny lisitry ny maty
mbola tsy hita velively..."
..............................
Nikarapoka Raneny!!!.
"Andriamanitra รด!,
Am-pelatananao
ny fanahin'i Anja kely..."

Nony afaka ora roa
Taitra ramatoa
Tena antsatra sy valaka,
""Neny, Neny, marary angaha Neny?
'Nde hody isika mianaka!.""
(...)

IaroMalala
"Aprily-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - fiainana
1175 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099