" IANAO MAHATANTY?" (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"IANAO MAHATANTY?"

Ny tranonao am-pita ny ahy koa
No nahafahako nandinika
Sady tsy nasiako ahiahy....
Ny fihetsikao madinidinika;
Tsinjoko avy ety am-pita
Ianao ilay mody adala
Mody hoe mikopak'afo!!
Mangata-maso te ahalala
Ny ady an-tranonay mivady!.
"SANGISANGY"...F'azafady...
Indrindra indrindra ny alahady...

F'iny vadiko iny mantsy
Tsy hoe: tia misetrasetra
Na...
Ilay adala ratsiko iny
Mampirafy...rehetra rehetra!
F'izy ilay tsy mody an-trano
Raha tsy indray mandeha monja
Ao anatin'ny herinandro
Fa mandeha m'"tourné"....
Fa tsy hoe mamonjy foza
Amin' ny alina mangina eny amoron'arabe!

Raha izaho mitan-takolaka
Eo an-davarangana eo?
Tsy sanatria mandalo olana
Na mila vonjy f'efa leo.....
Fa mba makamaka rivotra
Sady mba mitanin'andro,
Ny ato an-trano mangatsika e!
He!.. ririnina ny andro....
Ianao ilay te-hanantona?
Tena tsinjoko mihitsy
Te hanatsotra sandrinao
Te hamboly fahasambarana!!..
Kanefa mbola haveriko ihany fa:
Ny olana tsy misy.....
Fa tsisy rivotra ato an-trano
Raha tsy eo an-davarangana....

Ilay vadiko iny!
Tsy sanatria adala sambatra
Ka 'nde hanary ny Malalany
...Na mitady tena lafatra
Dia ho hafoiny "izaho" anjarany;
Fa sahirana mitady izay mba:
Hampanjary fiainana!
Ka ny alahady ihany
No nataony ho fitsaharana.
..................................
Raha "ianao" no ho "izy"
Dia hokolokoloinao tsara
Izaho sy ny ankizy???
Nefa tsy ianao...
.F'ilay vadiko iny
No tompo sy mpanapaka
Mpitondra fahasambarana
Mandravaka ny akaniko....
Izy irery ihany no tiko sady mamiko
Higoka an-kitsirano
Ny fitiavana sy hanina
kely efa mba nomaniko!.

Ianao no tena adala!
Adala be satria
Tovolahy tsara...Tahakan'inona lehity?
Adala amin'ny olona efa manambady,
Raha izaho no i "ianao"
Dia tsy handrasako ela
Fa atomboko d'izao
Ilay "manaja tena"
Fa tsy m'tady rirany @hasambaranay mivady
Indrindra ny alahady.........
Toro-hevitra ny ahy raha toa mba sitrakao:
Mety ve raha hampidirina
Ao an'efitranonao ilay fataperanao???
Dia ao mikopak'afo
Fa tsy eo an-davarangana!
Fa raha mitohy izao de:
Ianao no mangamangana
Sy hanongo tena mafy
Fa tena tsy hatanty ny "safosafonay mivady",
Mainka moa fa hifanoroka rehefa ilay hifampitsena
raha vao miditra vavahady??
.........
Miala tsiny raha masiaka
Fa tsy tantiko ny hahita anao mipitrapitra
Manara-maso lava
Sy manao fihevi-jaza!.

He izany izy
fihevitry ny ankizy:
"...Izaho no adalam-pahasambarana
Ka mila tsy hahandry
Tsy hahandry tantana
Te-handrombaka sahady
Anao izay eny an-tsandriny
Handrangitako azy mafy!".

FA IANAO MAHATANTY!!!???

IaroMalala (Ery)
"Aprily-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1742 1
Hevitra mandeha
mitsoa ( 02/05/2013 17:01)
tadiavinao ho sepotry ny setro-tsaribao ao atrano zany izy??...mb maka rivtra koa iz e.mankasitraka
IaroMalala ( 08/05/2013 13:11)
Salama ianao Mitsoa?
Ka fika fotsiny ne ilay mody mikopak'afo eo an-davarangana e! fita te hangala-pijery an'lay vadin'ol fotsn io atôn'io bandy io kah! fa ny indro kely dia masiaka kou le madama vadin'olona e!
Eny e!,samy mba maka rivotra marna zany zareo kou!!
Misaotra @fanehoan-kevitra! Mankasitraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105