" IO FITIAVANA IO HO'AHO!" (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IO FITIAVANA IO HO'AHO

Zandry a!
Izao ny ahy mba kôziko:

"Io fitiavana io letsy a!,
Tsy atao fisangisangy
Fa laroina tambitamby
...Raha tin'lahy 'lay sipa.

Io fitiavana io ho'aho,
Tsy vitan'ny veloma
Fa asio takalo rora
...Raha tena te hahita.

Io fitiavana io lehity e!,
Tsy mety raha tsy hajaina
Sy mody hiasàna saina
...Raha tin'lahy tsy ho ritra.

Io fitiavana io
Tsy azo asiana nenina
Na miroso dia miverina
...Fa mikiry dia tafita.

Ka manandràma izato izy
Dia mahaiza mba mitia...
Ny zanak'olona tandremo
...Fa tsy sigara io na py a!".

IaroMalala
"Aprily-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Fitiavana
1124 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098