" MAMA!". (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"MAMA a"!,

Fony teo Ianao?
Izaho nihevitra mihitsy
Fa ampy ahy hatram'zao
Ireo taona vitsivitsy nahafahako nijoro
Samirery tsy hatoro....

Manko lasa Ianao tsy tàna,
Vao tena tsapako mazàna
Fa manao fanahin-jaza
Mikavia, solafaka aza....
Mitady zavatra hamaharana
Toin'ny olo-nosomparana....
Mbetika mirenireny
'Ty zanakao tsy misy reny!

Raha t'anilanao fahiny
'zany zà raha tsy tamàna....
Miaiky aho ankehitriny fa:
"SAROBIDY IANAO RY MAMA!."

IaroMalala
"Aprily-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1121 1
Mpakafy: IaroMalala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014