" TIA IZY IZAY!..." (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"TIA IZY IZAY!"

Rehefa izy izay no falifaly foana,
Miramiran'endrika isaky ny hihaona...
"Tia izy izay!" - Miantso anao an-kolaka
Saingy aoka aloha, aza mbola haboraka:
Aza mbola hambara
Aleo ho tia tsara!

Rehefa izy indray no miezaka miery,
Mandositra mihafina ny masonao mijery...
"Tia izy izay!" -Te hanolotra ny tsikiny
Saingy aoka aloha, aoka kely mihitsy:
Aza mbola maka
Aleo ho lalim-paka!

Rehefa izy koa no mihindrana ny aliny
Hieritreretany hanomezana ny valiny...
"Tia izy izay!" - Tia sady mampirisika
Saingy aoka aloha, aza miseho misisiska:
Aza mbola maika
Aleo ho tsara paika!

Rehefa izy izay no manokana ny androny
Ka miangavy anao, mba hampiaraka aminy...
"Tia izy izay!" - Mitady anao ho tiany
Saingy aoka aloha, mba tsy hisian'ny fanahiany:
Aza mbola mody seriny
Aleo haverimberiny!

Fa ialahy kosa raha notsenainy "TSIA"
Tiany tena tiany letsy a! mba hianohana fitia...
Saingy ny fandavany? - Tetika manakona
Paika hisintonany ny fo mba hifanatona:
Fa matoa Ingahy nolaviny
Tena Ianao 'zay 'lay olona tadiaviny!

IaroMalala
"Aprily-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
2229 1
Mpakafy: IaroMalala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144