"EISY E E!" - IaroMalala
Azo vakiana?
EISY!
Adaladala.................
Rehefa antsoina dia manakifika volo
Sy mody mba miavona.....
Ny tanany anefa malefaka kely
Toa mora mandrazona.....
Mitapitapy................
Rehefa kitihina, miala ilany
Miseho ho masiaka....
Nefa inay hihetsehako kely
Mba mitsiriritra....
Mananihany..............
Rehefa hilaozako, manakatra miantso:
"ERY! mba andraso"....
Izany izy izany rehefa tsy tia
Nefa manara-maso....
Eisy!....................
Mbola aiza ny aiza?
IaroMalala
"Aprily-2013"
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : IaroMalala

Nampiditra : IaroMalala
Daty : 27/04/2013
Mpamangy : 654
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
FA NAHOANA?...ATAMBERENO INDRAY ANIO
ILAY SARINAO
SOA FA NISY
FETIM-PIRENENA
"TIAKO FOANA IANAO!"
" TSIARO MANGIDY "
" ADY HO'AHO NY FIAINAKO!"
" INONA IHANY?..."
"TIAKO RAHA IANAO..."