" HANDRIANINA " (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANDRIANINA

Raha ny hoe:"hampirafy"?
Samy mahay
Samy mana-talenta....
Fa raha vary am-bilany
Tsy atao ratsy afo
Fa sao lasa feta....

Raha ny "hadalàna"?
Samy mahavita
ary tena matihanina....
Fa ny mpivady na ny mpisipa
Mahay mifandefitra
Mbola "HANDRIANINA".

IaroMalala
"Aprily-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Fitiavana
979 1
Mpakafy: mitsoa
Hevitra mandeha
mitsoa ( 12/06/2013 07:51)
msotra e!!tena babo tanteraka aho
IaroMalala ( 14/06/2013 13:13)
misaotra betsaka Mitsoa a!nf tadidio fa ts le oe babo no zvdhb fa enao resy lahatra dia mampiatra anle izy eo @fiainana e! tiko be kou ny tononkalonao!mahereza hatrany!
ho ela velona anie ny mpana-talenta malagasy e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111