"HO AVY IANAO?" (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AVY IANAO?

Trano bongobongo
tontatonta ratsiratsy
No hovantaninao any!
"Telo dia", na mihoatra kely
feno poti-taratasy
No halehiben'ny tokontany!

Ny varavara fidirana?
Makakakaka sady boboka,
Ka tandremo sao kitihina
fa avy hatrany mamovoka a!

Raha tafiditra ao ianao
misy horonantsihy ao
sy "toko vato" telo monja,
ary nongo tata-bitrana...
...............................
Fa tsy misy ambony rihana.

Voro-gony simbasimba
no fanapenako ny rindrina
rehefa tojo fahavaratra...
Alin-kely an-dava-bato
Tsy mba misy mpankahala
hazavain'ny "tsela-baratra".

Izay no misy ao , ka ho avy ianao?
....Raha toa ka ho any ary, dia:
Mandehana fa tsenaiko eny lavi-davitra eny!.

IaroMalala
"Aprily-2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana - Fitiavana
831 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139