" MAMY HO'AHO!!" (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMY HO'AHO!

Malala a!;

Ataoko angamba letsy a!
Fa fanirian'ny tia
ny hitoetra lalandava anilan'olon-tiany.
Ho sambatra satria:
'Lay volana mazava no homba ny hafaliany.

Dia fanirian'ny ory
no mba hahita koa ny fianinam-pahasambarany,
Ka 'lay hari-tory?
na 'lay ady tao an-doha, dia hivadika hafaliana
Ka handondona am-baravarany.

Fa fanirian'ny trotraka
ny mba ho vonton-kery anaty ady mafy,
Hanjary tsy ho motraka
Hahay hiari-pery, hizàka sy hihafy.

Dia, fanirian'ireo, izay nilaozan-tiana
ny ahita izay anjarany, fa tsy ohatr'izao,
Ireo sento sy tomaniny koboniny mangina?
Angamba ataony farany eo am-pahitàna anao.

Izay tia letsy adala a!
ka velom-paniriana.....
Sa tsy izany iky Malala??
Fa MAMY HO'AHO ny tiana!.

IaroMalala
( Aprily-2013)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
869 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142