ADALO 2015 (ikaloyna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADALO 2015

Rahona milondolondo,
manafina masoandro
hamafa ny tomanin'ny tontolo toa torovana,
ana, vonton-drano,
konka, bobongolo.
Ny hirako ihany koa :
indro farimparina,
tsy sahy hanara-dia
ny Valiha mitaraina ;
efa ho hefarana
anatin'ny Adalo
(angamba mbola hitohy).
Mosarena loko
'ty fafako mangotana,
feno loko mainty,
nanantena maitso
nentinao ry Rano.
Kinanjo, tinafinao fahalovana
ity Dongon'Imiadana
ka zary montsamontsana !

Ikaloyna Vony
04/03/15
--------
Lien:
716 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ikaloyna
Inséré par : vonynive
Date : 10/03/2015 07:39
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145