You are here: home > Vetso

EZAKA - ikaloyna

Azo vakiana?

Angamba izay nafafinao : maro maty maso
Fa meteza indray hanosoka fa aza matin-kenamaso
na koa mijanojanona
hanolo ireo tsy vanona

Raha ho avy ny tafiotra hisompatra, handrodana
izay kely mba voatsangana
dia aza malo-tava,
sikino ny herim-po hananganana ny rava

Eny an-dalana eny hisy ny fiakarana
mandreraka, manasatra ;
fa aza miverin-dalana
dia manamboara vatsy
fa ny tanjona tsy atsy.

Mety hahintsan'ny havandra ny vokatra hotazana
raha afaka herinandro ;
fadio ny fendrofendro
dia mihidia vazana ;
fa raha hisy lohataona dia hisy fararano,

Ikaloyna
21/12/14

Sokajy : fanantenana, fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ikaloyna

Nampiditra : vonynive
Daty : 11/03/2015
Mpamangy : 585
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mamin'ity peniko
NY ANDROKO
ANY HO ANY
MBOLA HISAVA
VOLANTSIKA
NOFINOFY IHANY
MISY "AHY ANAO"
TSIARO
INY ZAZA INY
ORANA