FITIA ANJOANJO (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA ANJOANJO

Niantefa taminao ilay antso
Nataony an’anjoanjo
Dia nifandray tsy tapaka
Sy nifankazatra …
Fa zary toa fanaony
Ny nitafatafa
Toa banga ny fiainany
Raha tsy mahita anao
Tsaroany tamin'izay fa ...
nanjary tiany ianao
dia mody hoe tsilalao
reo vazivazy
fanalana azy
kanefa tena izy…
tsy sahiny lazaina
fa tiany hohajaina
ny fo madio sy tsotra
hitany tao anatinao
ka nahababo azy
fitia mararirary
fitia kisarisary
feno ankamantatra
tsy mety hahasambatra
no nilomanosany
tsy diso anefa izy raha toa ka tia
… satria tsy diso ny mitia

ikaloyna
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
893 1
Mpakafy: lonlee
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 27/05/2014 07:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0187