GAGA (ikaloyna)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
GAGAGaga anao aho ry peniko maditra
tia korisarisa.
Fa ts'isy izay mijery.
Gaga anao aho ry foko be kiry
toa tsy mety kivy,
tsy manaiky resy.
Gaga anao aho ry tanako tsy sasatra
manafy ny mahantra.
Tsy mety mba ho " hendry " .
Ikaloyna
15/01/15
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy