ILAY LANITRAO (ikaloyna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY LANITRAO

Mandrondrona ny lanitra
anatin'ny ririnina
(tsy maintsy mangatsiaka)
Mitatao hijojo ery an'habaka avo
ny rahona masiaka
ho erika matevina
hamonto ny voahary
toa tsy hisy fiatoana
arahin-drivotra mahery
malaina ny hitsetra
ity ravi-mihareratra
sy main'ny fanala
... Dia indro ianao fa kotsa
fa lavitra mpanaloka !

Na sasatra aza mantsy ilay masoandro any
sy mando takariva ny hamindroana am-patana
Dia tsy iny volon-danitra iny no ho tontolonao an-tany
F'hafoiko zato Lambako raha izay no hanafana

Ikaloyna
26/07/14
--------
Lien:
Catégorie : Ady - Namana - fiainana
1064 1
Fans: Arofanina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ikaloyna
Inséré par : vonynive
Date : 13/08/2014 05:53
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145