KANEFA (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KANEFA..

ikorianan'ny rano mateti-piavy
ny masonao tiako mpimbanjina ahy
ivoahan'ny sento mazàna mitranga
ny fonao mbola zaza fanahy
itambolimbolen'ny rivo-manempotra
ny fiainanao bitika tsisy mpitsetra
ihetraketrahan'ny tadio sy havandra
ny tafo mololon'ny tarigetra

kanefa
hitataovan'ny tara-penomanana
ny soka-masoandro amin'ny masonao
raha miaiky isika fa ny fananarana
dia ho an'ny zanaka tiana hihavao

hitrahotrahoan'ny oram-pitsikiana
ny tanin'ny fo karakaina fitiavana
raha mety isika hizara hafaliana
ka atolotra tsy ilàna fisaorana

hitsirian'ny fanantenana maharitra
ny tanimbolin'ny fiainam-piezahana
raha haintsika ny tsy maintsy miaritra
ety an-dalan-jotran'ny faherezana

hihofahofan'ny fanevam-pandresena
ny tarigetra anivo vovonana
raha toa isika mandà tsy hivena
fa hisalotra fitafy dia ny fahavonana

ikaloyna
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
985 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 25/03/2014 06:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101