LAKAN-JAHATRA (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAKAN-JAHATRA

Difotr'onjan'ny tantara iny lakan-jahatra iny
ka manjepizepy irery ao anaty haizimpito
aronjony ankavia hanopy maso ny fahiny
avariny hiankavanana hitazan-davitra ny ampitso

Alon-drano be mahery sady maro no miavosa
masiaka fisafoaka tsy hiantra izay hitsiny
no hitelina ity zahatra ratsy tefy osaosa
toa tsy manan-kery hisedra ito aloka tandrifiny

Ikaloyna
15/08/14
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
970 1
Mpakafy: Arofanina
Hevitra mandeha
isera ( 02/09/2014 17:03)
inona ilay lakan-jahatra?teny gasy ve izany?angamba lakan-dahatra no izy e?
hery ( 03/09/2014 19:56)
Mety hoe lakana vita amin'ny zahatra ka.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 20/08/2014 07:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014