MIFAMPITANTANA (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIFAMPITANTANA

Atao ho mpanadala sy mpirediredy lainga,
Lazaina ho mpanonofy sy mpandreby ny vahoaka ;
angamba ianao mazana
ka mety hitovy isika.
Satria sahy milaza, sahy mijoro ka manainga
ny kanosa mba handroso fa tsy ho lohan'ny mpitsoaka
ka hamaky ny hafanana,
hisedra ny hatsiaka,
hananika ny havoana,
hilanja ny fanevam-pahatokisam-pandresena,
hiaritra ny mafy, hirongo fahafoizan-tena,
hanolotra ny aina,
ny vatana sy saina
sy izay rehetra ilaina, ny fanahy, tsy misy fetra,
talenta sy fahaizana, eny ny andro rehetra rehetra,
dia hiaraka hitolona
amin'ny fahantrana
sy ny tsy fahalalana.
Ho sarotra ny lalana,
ho mafy koa ny ady
fa ny fahavalo dia romotra aok'izany.
Na dia izany aza anefa tsy ho azon'inona sakanana.
Na iza ho rahonana
Tsy ho voarohy aman-tady
sy ny fangejan'ny tany.
Satria MIFAMPITANTANA.

Ikaloyna
01/02/15
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Fiaraha-monina - fiainana
760 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 10/03/2015 08:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154