MISY LOHARANO RITRA (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY LOHARANO RITRA

Misy loharano ritra,
misy fantsakana rava
tokony hampipitrapitra,
tokony hahamalo-tava
eny Andafinketaheta
Nefa tsy nahoan'ny maro.

O ! izany ny nitomany
sy nisento samirery
nalahelo noho izany
nahatsiaro ho very hery
bobo-dranomason-tsetra
sy toloko nifangaro.

Kanjo indrisy menatra aho
fa nigogogogo foana
novesaran-jaly tao
sady fantatra ho nisaona,
nahonena, nanjoretra
toa kamboty ts'isy mpiaro.

Hay va re ' ty loharano
dia ' ty loharano ritra
tokony hampanganohano
tokony hampipitrapitra
hay va re ' ty fantsakana
dia ' ty fantsakana rava
tokony hampinananana
tokony hahamalo-tava
... loharano misy poizina
... fantsakana rakotr'ozona !

Ikaloyna
ando 98
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
778 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 10/03/2015 08:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101