NOFY (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY

Tsy haiko hoe entin'inona aho
fa voabaikonao ny foko hihira sy hikalo
na iza ianao na iza.
Tokana no fantatro
(Ny sarinao tsy hitako,
ny feonao tsy reko).
Fa sary iray no injao
anaty tsiaroko ao : i Nofy .
Ka i Nofy ve? Tsy haiko 'ty aloka miafina
manaitra ahy matory,
tsy mihambahamba akory
fa avy dia mamadika ny pejy roa, telo ...
anatin'ny diary nanaovanay hira.
Na i Nofy ianao na tsia, mba raiso re ny tanako,
meteza mba ho namako !
...Tononkalo sisa no alefako misidina
fa sendra mba tafidina
hatrany lavitra any,
avy eny Ankodimirana ;
dia tapaka ny elatro.
'Reo tononkalo tiany natambatra ho boky
veriko, eny, indrisy !
ka Nofy nofinofy sisa
tazoniko ato am-poko fa izy niatsinanana
nandao ahy tsy niera, tsy nisy dinidinika.
... fa nindaosin'ny masoandro.

Ikaloyna Vony
ando 12/02/15
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1048 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 10/03/2015 07:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014