NY HIRANAO RY NAMAKO (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HIRANAO RY NAMAKO

Ny hiranao ry namako
ry namako tsy fantatro
ako toa manaitra
ny vinaniko matory
hanembona ny any
mamoha sahisahy
ny hidin'ny tsiahy
mamindra koa ny takona
ho tonga taza-maso

Ny hiranao ry namako
ry namako tsy fantatro
nanofahofa tanana
indray misandratr'andro
bitsika hafa loatra
mitondra feo sy sary
dia sarin-doharano
an-tsefatsefa-bato
voataratry ny avana

Ny hiranao ry namako
ry namako tsy fantatro
toa gadona fandreko,
mazana koa tendreko

Ny hiranao ry namako
ry namako tsy fantatro
hira toa tsy vaoko*
fa hiran' ilay lasako.

Ikaloyna
22/12/14
--------
Rohy:
Sokajy : embona
834 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 11/03/2015 14:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144