NY LASA (ikaloyna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LASA

Midona, midona zany kotrok’hariva
Mangotika anaty ty fo adaladala
Ka sento tsy tana iva dia iva
No setrin’ny dobony manao ranolava

Mahery setra sy tia vatravatra
Ny riaka mahery ery an-kavoana
Mipaoka tsy an-kiera, manokatra ratra
Ny maitso rehetra zary misaona

Mikija mazàna fa mbola ho tony
Ny patrapatraka na ho anio na ho ela
Ny tsiaron’ny lasa tsy mety matory
O ! tapa-porohana mbola tavela

IKALOYNA
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
858 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ikaloyna
Inséré par : vonynive
Date : 10/02/2014 10:16
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141