NY MALALAKO (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MALALAKO

Izy no andevenako
ny ratra izay afeniko
mamolivoly aina
kanefa tiako hiraina

Izy no iantefan'
ny hafaliako rehetra
rehefa injay tafita
' lay laka niaraha-nita

Izy no amafazako
ny ranomaso latsako
nijojo mandrak'alina
tsy sitrako fantarina

Izy no mahalala
' reo nofiko adala
' lay itsikiako irery
notronin-kintan-kely

Izy no ilazako
ny hiaka tsy voazavako
dia tabatabata anaty
te hitroatra nefa mihafy

Izy no amborahako
' lay fitiavana mahantrako :
fitiavana mangina
fa manina ny tiana

- Izy ilay malalako :
PENIKO tsy sarako !

Ikaloyna
03/01/15
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - Aingam-panahy
1536 0
Hevitra mandeha
artefy ( 27/03/2015 10:56)
dia izy ilay efa nisy hatrizay
fony mbola tsy ary akory izao tontolo izao
ilay nanandratra ambony ilay hany mba ahy
ilay fiteniko malala... nahafantarako anao!
vonynive ( 31/03/2015 06:22)
IZY ilay nahatonga antsika ho iray
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 11/03/2015 14:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216