PEJY SY PENINA (ikaloyna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PEJY SY PENINA

An’efitrao mangina
Jiro kely tokana
Mitsilopilopy
Madiva ho lany solika …
Nanoratanao vetsom-po miafina
Tsy sahinao lazaina
Tsy vita tantaraina
Fa azoko kisary …
Kisary zary soratra
‘Lay penina mangovitra…
Toa ritra ranomainty …
Kanefa te hitety…
takelaka tsy foy
(toa pejy rimbondrimbona)
soratra ho kisary
… kisarim-boninkazo
Voninkazo dia ...
Satrinao hotazana
Nefa, mahatahotra …
"'ty vonin'ny fitia"

02/07/14
ikaloyna
--------
Lien:
928 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ikaloyna
Inséré par : vonynive
Date : 02/07/2014 09:26
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143