POETA (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POETA

Fa iza moa ialahy r'ilay poeta
sahy manentana vahoaka
sady basivava
nefa eny an-dalana aza
tsy misy miarahaba
fa tsy olona malaza !
Raha migadra ialahy anie
ts'isy hitaky hoe "avoahy e ! "
fa ialahy tsy mpanao gazety
ka hiantso ny " presse "
... fa mpirediredy
sa ny mpamaky boky
na ny "amis facebook " ?
Raha maty koa ialahy
tsy hisy ny mpanotrona
satria ialahy tsy artista
sady tsy " realiste "
ka ho ao anaty lisitran'
hiditra " palais "
na ho eny " mausolee " .
fa mihodinkodina eo :
IVOKOLO, IKM,
RARIHASINA, CGM,

Ikaloyna
25/01/15
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
917 2
Mpakafy: ToetraRAJA - vonynive
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 10/03/2015 08:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0865