RAOZIKELINTSIKA (ikaloyna)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
An-tratrako mangina, tsy mety mangatsiakaNo atorian’ilay Raozikelintsika
Voakoboko tsy hiloaka, hifitsaka doria
Voaazoko tsy hitsoaka anaty foko tia
arehitro tsy miato, ao am-po tsisy hahalala
lay jirokelintsika natao ho fanala
otrik’afo tsy maty sanatria tsy hamanala
otrik’afon’ny fitia voatahiry ho tantara
ao an-dohasaha lalina misy loharanontsika
loharanon-kira sarotra, miafina, tsy mety ritra
hirahiran’ny fitia, hira velona tsy tony
loharano mampiray ny ando sy ny vony
Hoperako tsy hiteny, ho moana hatrany hatrany
Anaty fo maditra lay tsiambaratelo mamy
Gadraiko tsy hitroatra ho sahy hisedra onja
Lay lakakelintsika mihidy ao am-ponja
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana