RY SAKAIZA (ikaloyna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY SAKAIZA

Ry sakaiza,
aok'izay ny fahakiviana
aza dia mijanona eto
fa ny lalana hombana
mbola lavitra aoka izany
sady sarotra, fiakarana
atsaharo izany sento
fa mbola maro ireo zandry
mila anao hitari-dalana
ao anatin'ny sampanana
atrakao izany loha
etsy horaisiko ny tanana
ndao isika hifampitantana
fa miandry antsika ao aloha
ireo zoky tia
efa sasatra toy izao
saingy noho ianao indrindra
no nikirizany hanohy
tsy hampitsahatra ny dia
o !hafaingano ny famindra

ikaloyna 31/05/14
--------
Lien:
Catégorie : Namana - Fampaherezana - fiainana
961 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ikaloyna
Inséré par : vonynive
Date : 03/06/2014 13:06
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144