SATRIKO (ikaloyna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko tsy hihodina
Ny famantaranora
Fa Satriko hifamihina
Satriko hisakambina
Tanana mizohy
Satriko hifanopy
Amin’ny masonao tsy foiko
Efa hatramizay
Satriko handre
Antsa vao sy tsotra
Hiran-doharano
An-tsefatsefa-bato
An’elakelantaho
Tsy mahay mangina
Satriko hifanojo
Ny doboky ny fo
nitempo ho iray

Vahotra ny molotro
Fenofeno anaty
Ora iray monja…
Solo folo taona fonja
Andro toa masiaka
Kanefa ora mamy
Tafahaona ihany
Isika ILAY TSY MISY
Kanefa tena velona
Afaka mandresy
Zao tontolo zao
Satriko hitohy ho nofy tsy ho resy
Lay Vony rakotr’ Ando

Satriko hilomano
Anaty nofy to
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
902 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ikaloyna
Inséré par : vonynive
Date : 02/10/2013 10:11
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152