TE HAHITA (ikaloyna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TE HAHITA

Izaho te hahita zoky tsy mosary
Izaho te hahita zandry tsy marary
Izaho te hahita reny miran’endrika
Izaho te hahita ray mandray andraikitra
Izaho te hahita taranaka tafita
Izaho te hahita zokiolo-maro isa

Izaho te hahita saranga mira tantana
Izaho te hahita zo ho an’ny isam-batana
Izaho te hahita toe-karena ambony
Izaho te hahita tontolo mba ho tony
Izaho te hahita fanjakana tia ny marina
Izaho te hahita vahoaka miara-miarina

Ikaloyna
10/09/14
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
956 0
Commentaires
Nofy2 ( 22/09/2014 12:32)
mafnartr!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ikaloyna
Inséré par : vonynive
Date : 12/09/2014 13:44
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148