TONY NEFA TE... (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONY NEFA TE
Avelako handeha
ho lavitra, ho dify,
satriko tsy ho hita,
satriko tsy ho re.
Kanefa dia banjiniko
amin'ny maso tsy mipy,
tsy misy mahalala,
hoe mbola mankafy,
mbola tena adala,
mikiry mba hamoy,
kanefa dia maniry
topy mifanojo
ho fo mifanandrify,
mitepo zava-tokana
tsy misy mahafantatra.
Dia, tony nefa te ...
ho taitra noho ny jery,
jery misy embona,
misy hetaheta.
jery mila maso :
maso mila antra,
maso hainy koa
hoe maso misy hanina
sy misy faniriana.
Ataoko hoe veloma,
fihiniko hiverina.
Avotsitro ny havia,
Fa tanako ny havanana.

Ikaloyna Vony - 06/03/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
695 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 10/03/2015 07:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144