TSY METY TSY HO TIA (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahantra tenin-tsaona ho enti-manambara
ny ritsoky ny fo voaratran'ny tantara
tsy misy mpahalala
ny molotro mangovitra.

Matsora ranomainty ho entina manoratra
ny jaly sy ny fery, ny fatotra mangia
mandrazona tsy mialan'
ny foko rovitrovidra, torovana sy ana,
finandrika am-paroratra
miady samirery, tsy mety tsy ho tia
manda ny hankahala
' ty peniko mihovitra,
' ty peniko adala
mironjona, mivena
marihitra, matsatso
no mbetika misosa
fa mazana koa mikatso ;
mandraraka alahelon'
fo mamelovelo
ambony pejy rovitra.
... Dia ranomainty ra.

Ikaloyna
Ando 1997
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
868 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 11/03/2015 14:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015