You are here: home > Vetso

Aza gaga ianao! - ikemba

Azo vakiana?

Aza gaga ianao,
Raha toa ka nirotsaka ny ranomasoko iny amorom-patana eo!
fa manimanina aho.....
Manina an'i neny, ilay ony fitodiako saingy efa lasana...
manina ny zoky nahafoy an'Iarivo noho i ravola ihany,
manina ilay tiako nofisiko mangina am-poko lalina ao,
ka aza manahy ianao!
fa tsy ianao akory no hoe nandratra ahy,
na izaho no hoe kivin'izato adim-piainana mianjady lava izao
fa ilay saiko adala,
no mbola manatena, mikiry tsotr'izao!
miandry ireo hipody, tena mirediredy e!
Tia ny efa nandao............

Sokajy : fiainana

Hevitra mandeha

raozigasy (23/07/2010 09:27:25)

Tsy nahagaga ahy akory , raha korian-dranomaso,
No nasetrinao ireo lasa, s’ireo nindaosin’ny ankaso
K’ilay ranomaso amorom-patana, nijoy tan-takolakao
Noho ny hanina an’I neny, sy I zoky izay nandao

Tsy nahagaga ahy velively, raha naratra ny fonao
Tsy noho izato adim-piainana, mianjady lava izao,
Fa noho ireo lasa tsy hipody, ireo dila tsy hiverina
Nobosesehin’ny tsiaro, ka ny ratram-ponao niherina

Tsy nahagaga ahy mihitsy, raha toa ianao adala saina
Satria mbola manantena, ireo dify nolalaina
Hoe mbola hiverina aminao, mbola hisy atri-tava
Ka mampandrotsaka tomany, ao anaty kombom-bava

mikous (23/07/2010 10:18:49)

Misaotra betsaka an'i Raozigasy namaly ilay rediredin'Ikemba e!
Mankasitraka indrindra!

raozigasy (23/07/2010 20:32:51)

Tsy misy fisaorana hono hoe !!!!

nannie (26/07/2010 09:29:27)

mahafinaritra izany teny malagasy mifamaly izany...

raozigasy (26/07/2010 10:48:33)

Ny fiainana anie ka atero ka alao
Anio mety ho ahy rahampitso ho anao

Mombamomba

Mpanoratra : ikemba

Nampiditra : mikous
Daty : 23/07/2010
Mpamangy : 1102
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tsy nahy
Fetiny androany!
Neny
Parceque je t'aime
Volon'andro
Ny vady ve?
Mbola tia!
Toy ny vao omaly
Ho any aho
Tia sa