Ny vady ve? (ikemba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay nambabo ny fonao tamin'ny topi-maso indray nielatra
Ilay nivoady taminao ary nivoadinao koa,
Ilay ho eo anilanao anaty oram-be sy tselatra,
Ary hiombom-pifaliana aminao ihany koa!

Ny vady ve?
Tsy zanaka matoanao na hoe fari-panananao,
Tsy irakirakao akory ka anananao fahefana,
Fa namanao, eny sakaiza, ary ho rain-janakao,
tena manana ny zony fa tsy ho gejainao toy ny zaza

Ny vady ve?
Tsy nitrebona tan-kazo na tamim-bozaka aman'ahitra,
Fa olona mitafy nofo ary natera-behivavy,
Manan-dray sy reny tokony hotmenao voninahitra,
ary hotiavinao fa tsy ho ataonao havam-bady!
Eny ny vady,
Ilay efa nofinidinao hizara ny andronao ho avy,
Ka na tsara izy na ratsy, anao ary adidinao,
Koa raha tsy mbola sahy ianao ry tanora zazavavy,
Aza maikamaika hanorin-tokantrano vaovao!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1660 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikemba
Nampiditra : mikous
Daty : 07/04/2010 04:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098