Neny - ikemba
Azo vakiana?
Raha mba teto mantsy ianao.....
Tsy nisy ny andro toa izao!
Lanitra tataovan-drahona,
Embona toa hafahafa,
Maraina rakodrako-javona,
nefa tsisy iaraha-mitafa!
Nankaiza irony hafaliana?
Lasanao nanaraka any...;
Ilay fiainana tsy misy ahiana?
Nofinofy sisa izany!
Banga ny ankanitsika,
mangina koa ny fiainana eto!
Ny lasa ....lasa!
Ny eto... tsy hita!
fa fahanginana no reko.......
Tsiahy sisa mitambesatra,
manindrona ny foko ao!
e! fahiny mantsy toa izao.....
Sambatra fa teo ianao!
Sokajy :
Alahelo
Mombamomba
Mpanoratra : ikemba
Nampiditra : mikousDaty : 28/07/2010
Mpamangy : 1012
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy nahyFetiny androany!
Aza gaga ianao!
Parceque je t'aime
Volon'andro
Ny vady ve?
Mbola tia!
Toy ny vao omaly
Ho any aho
Tia sa