Volon'andro - ikemba
Azo vakiana?
Rakodrako-javona ty maraina ity,
fa ilay masoandro midongy tsy hifoha;
Toa ilay fo adala mierona fitia,
ka raha tsy afa-diana mahalasa ambiroa!
Migainan'ny hafanana ity tataovovonana,
maherihery setra, masiatsia-piavy;
Toa ny fahoriana migadona am-bovonana
ka mampanary lamba sy zary mampanavy!
Fa londolondo endrika ny takariva anio,
Dia ngolingoly koa ny aty foko ao,
ny takarivantsika fahiny tadidio,
fa tony sy malefaka tsy mba tahaka izao.....
Sokajy :
embona
Mombamomba
Mpanoratra : ikemba
Nampiditra : mikousDaty : 08/04/2010
Mpamangy : 1046
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy nahyFetiny androany!
Neny
Aza gaga ianao!
Parceque je t'aime
Ny vady ve?
Mbola tia!
Toy ny vao omaly
Ho any aho
Tia sa