Ho any aho (ikemba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nisy azo natao dia efa novangiako ianao,
saingy hovangiako aiza?
Nofo efa rotidrotika sy tsisy aina intsony sisa ao am-pasana ao!
Fa ilay reniko tsy foiko, nitaiza sy nikolo ahy, indrisy efa tsy ao intsony, ka hamangy an'iza hono?
Sa hamoha ny fota-mandry sy hitolokoloko foana eo an-doha fasana eo?
Nefa hoy aho mantsy anao, raha nisy azo natao dia tonga tany ihany aho!
Hitondra vonindraozy iray mariky ny fitiavako sy ho fahatsiarovako ao am-po,
Fa ao an-trano vato ao no milevina ny havako, ilay tsy manam-paharoa.
Hamangy nefa tsy hanjoretra fa ho feno fifaliana satria mbola tia anao!
Ka izay ranomaso ho latsaka, ho ranomasom-pifaliana tsiahy reo teo anilanao.
Inoako anefa neny tiako f'any andro any taona ho tomombana ny fiainako,
Eny ho ampy ny eo an-tanako fa nambinin'ny Tsitoha , ka amin'izay fotoana izay,
Ho avy aho hamangy anao ary hivimbina eo an-tratrako ilay fitia iombonantsika,
Dia hiantso indray ny anaranao sy hirediredy irery eo an-doha fasana eo.
Ary dia hanomboka eo, na iray novambra io na tsingeritaonanao,
Hamangy anao any izahay,
Ho fahatsiarovana ny lasa sy ho mari-pitiavanay anao!
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1701 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikemba
Nampiditra : mikous
Daty : 18/03/2010 04:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014