Tsy nahy - ikemba
Azo vakiana?
Taratasy iray efa vasoky ny taona,
no voasokatro tsinahy io maraina io.
Nampatsiahy ilay lasatsika efa nimaona,
ka namolivoly ny aty foko anio...
Sarinao voahety sy efa saika may,
no noaiketiny ka taitra teo ilay fo.
Nahatsiahy ilay salovanao izay,
niniana nohadinoina kanjo indry nifoha...
Dia nitamberina ilay tantara fahiny,
fony mbola mpifankatia isika roa,
sy ianao ilay ninia nanetsina tadiny,
izaho ilay nikiry nanamafy fo!
Ankehitriny raha tsiahivina ireny,
dia tsapa fa natory ihany ilay fitia,
ka eritreritra nandalo teny ho eny,
dia ampy nampifoha ilay foko mbola tia;
Koa raha mbola misy ao am-ponao ao,
tsiahy mamy toa izao lzaiko anao izao,
raha mbola misy aloko dia tairo hifoha,
Andao hiverenana ny lasantsika roa!
Satria mantsy, tia ahy izy nefa asa....
Fa hatramin'izao tsy mbola mety ho babony aho,
Tsy noho izy fa ilay ho avy efa voakasa,
sy nosoritako fa ho eo anilanao.
Hevitra mandeha
Oully (11/11/2010 10:49:24)
mangidy (11/11/2010 11:30:52)
Kanto loatra e!
mankasitraka,,
mikous (16/11/2010 03:14:11)
mikous (16/11/2010 03:16:33)
Mombamomba
Mpanoratra : ikemba
Nampiditra : mikousDaty : 10/11/2010
Mpamangy : 1048
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Fetiny androany!Neny
Aza gaga ianao!
Parceque je t'aime
Volon'andro
Ny vady ve?
Mbola tia!
Toy ny vao omaly
Ho any aho
Tia sa