Toy ny vao omaly - ikemba
Azo vakiana?
Toy ny vao omaly ny efapolo taona
nifamihinantsika tan-dalan'ny fitia.
Na dia efa niova bika aza ilay endrikao malanto,
sy ilay vatanao tomady nambabo ahy tery.
Ny volonao koa, tsy tana fa indreo efa fotsy sasaka
noho ny ady saina sy ny olana nianjady
teo am-panabeazana ireto sombiniaina;
nefa hoy aho akia:
toy ny vao omaly ireny lasa ireny satria:
Ireo masonao na dia efa pahipahina
fa efa nolazoin'ny ela sy ny taona,
dia mbola ahatarafako ilay heri-pitiavana
nahavarimbariny ny foko fahizay.
Ary ny tavanao, na dia efa feno kentrona
nofafazan'ny hatsiaka sy nodoran'ny masoandro
teny an-dalam-pitadiavana
dia mbola mahababo sy manintona ahy.
Hevitra mandeha
fahamarinana (20/03/2010 16:43:21)
Naika nihomehy kely !Maka sary an-tsaina ilay voatantara ,tena niova marina tokoa ny bika aman'endrika taona maro aty aoriana ,fa ny fitiavana angamba mitoetra foana !
tywa68 (20/03/2010 17:11:05)
Faha > na niova bika aman'endrika hono izy d mbola babony foana i Ikemba :))
mangamaso (31/03/2010 11:27:23)
Mombamomba
Mpanoratra : ikemba
Nampiditra : mikousDaty : 19/03/2010
Mpamangy : 1345
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy nahyFetiny androany!
Neny
Aza gaga ianao!
Parceque je t'aime
Volon'andro
Ny vady ve?
Mbola tia!
Ho any aho
Tia sa