Mbola tia! (ikemba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hanadino azy aho,
Tsy te handre intsony ny kiakan'ity foko miantso azy hipody!
Te hitia anao,
ilay maniry mafy ny sombim-pitiavako k'indry misodisody,
Tsy te hahatsiaro intsony ilay salovan'endriny
nahodiny tsy ho ahy,
Tsy te hahatsiaro intsony ny ratra zay natentiny
ny foko sy fanahy!

Te hiravoravo anilanao ilay tia
ilay feno fandeferana,
Ilay tsy mety kivy, miandry izato foko
mbola mipendrapendrana,
tsy te hahare intsony ao an-tsaiko ao
ilay feony manga,
fa maniry kosa hitoetra anilanao
na inona hitranga.

Satria manahy aho, f'any andro iray
hiodina ahy ianao,
sasatry ny niandry, sasatra nitia
leo ny nitalaho!
Anefa amin'izay vao mety ho tena tsapako
fa hay ianao 'ty tiako.
Ho mafy noho izao ny hirifirin-tsaiko
sy ny hakiviako.
Nefa indrisy rahavako, hatramin'izao aloha
dia mbola tiako izy,
Mbola miziriziry, mikiry ery ny fo
manao ambozizy
Koa iangaviako ianao, ampianaro aho
hijery anao ilay tia;
Mba ho afaka hisambatra eo an-tratranao
anivon'ny fitia!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1962 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikemba
Nampiditra : mikous
Daty : 23/03/2010 10:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.03