Fetiny androany! - ikemba
Nantsain'i
ikalamako
ikalamako
Mandinindini-tsary dia mahatsiahy ny lasa,
manoritsori-nofy, ahita azy eto...;
fa fetiny androany!
Izy.... any lavitra any!
Mba satriny hono mantsy hody an-tanindrazana,
Hiara-hiriaria amin'ireo tiany,
saingy an-tsaina sisa no tsinjony sy tazana
ny endik'izy ireo s'ilay tany nihaviany...
Onena azy ny foko,
Tsy fidiny azy mantsy no nialany teto.;
Ka hany sisa heriko,
manonon-tonom-bavaka mangina mba ho azy...;
Hahita fifaliana amin'izay andro sisa iainany,
ahita fitoniana sy fiadanam-po,
mbola ahatratra ny taona ho avy indray
izay no firariana miainga avy ao am-po
fa fetiny androany!
manoroka azy mamy....
Sokajy :
Fahatsiarovana
Mombamomba
Mpanoratra : ikemba
Nampiditra : mikousDaty : 22/09/2010
Mpamangy : 1337
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy nahyNeny
Aza gaga ianao!
Parceque je t'aime
Volon'andro
Ny vady ve?
Mbola tia!
Toy ny vao omaly
Ho any aho
Tia sa