TSIA (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"TSIA"
Ny teny hoe "tsia" aminao dia fandavana avy hatrany

TSIA hoy ianao tamin’izany na mbola tsy akory aza ilay teny,
Dia tsia no navalinao ombieny ombieny

Ny teny hoe TSIA dia nandoro ny atim-panahiko

TSIA hoy ianao namaly,
Ilay vetsom-paniriana tany ho any ka nangeza ity ankany

TSIA hoy ianao teny ho eny, no valikafatra sesiheny,
Tsia dia tsia fa tsy afaka hamaly ilay vetsonao hatrizao

Rehefa tsia dia tsia hoy ianao nikalo,
Tsia satria ny ahy hono embona sendra nandalo

Eny, mafy re izany valikafatra izany,
Mafy satria manantena zary tomany

Mijanona ho setroka indreny faniriana,
Mipetraka ho nofy ity vinavina

Raha mba fantatrao ny vina ao anatiko ao,
Dia tsapanao ilay teny ka iny tsia iny nanjary ho ENY

Indro fa manaiky aho raha toa ka "TSIA" avy hatrany,
Eny fa manaiky ry foko mangina, fandrao mitomany


(Ilay Fanamby sy Manantena Evariste,Tsia, 25 -08-21)
--------
Rohy:
671 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0129