Mba efa fatatrao ve,...? (NY FANAMBY Nomenjanahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fatatrao ve ry foko,
iny olona irinao
Voadinikao ve ry vetsoko,
iny olana inkaloanao,

Moa fatatrao ve,
lay fiti natolony
Mba efa voadinikao ve
Lay teny teo imolony

Hitanao tsara ve ry masoko,
lay tsikiny teny ho eny
Moa efa voadinikao,enao nataony tsara jery,

Henonao ve ry sofiko,
iny valin-teny iny
Moa mba efa voahenonao tsara,
lay tiany hambara

Azonao ve ry tsikiko,
lay tsiky atolony
Moa mba efa voadinikao,
ireny tsiky eo atakolany

Tazonao ve ry tanako,izy namihina anao iny
Fihiny tsara ve enao,
ary ko-tsy afaka handao.

Mba fatatrao ve ry tongotro,
zao dianao zao,
ENY,hainao ve lay nafafy,
no ianao mandeha mafy,

Tena fatatrao ve ry fitiavako,
iny olona iny
Fa toa lasalasa angamba,
sa hoe babony de jamba


Tsy dia fatatro loatra izy ty,
Fa iny kanto no nahatamana,
Tsy voadiniko loatra satri,
Nameno ahy loatra lay fiti
Dia ilay bika aman'endrika ao tsara

(Ilay FANAMBY,mba efa fatatrao ve...?,septambre 2021)
--------
Rohy:
434 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY FANAMBY Nomenjanahary
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 08/09/2021 09:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154