Fitia, (Ilay FANAMBY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia,Fitia mifamihina ary tsy mifamara,
Lavitry ny hoe "tsy anjara",
Fitiavana safononoka,
Ao am-po fa tsy mijanona eo imolotra.
Fitia tsy mba hanam-petra,
Ezahina mba ho tarigetra,
Fitiavana asesika eny,
Entina ombieny ombieny.
Fitia mitafotafo,
Mamy ery isan'andro,
Eny, fitiavana milomano,
Eny an-dalana ka hatrany an-trano.
Fitia tsy mba voafefy,
Mainka mamony fa tsy mety lefy,
Mampiray fo sy malina,
Ka mampitsiky andro aman'alina.
Izany no atao hoe "fitia".
(NY FANAMBY Nomenjanahary,fitia,febroary 2023)
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana - Aingam-panahy
