Fitiavana (Ilay FANAMBY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANAIndro ny fo fa mientana ery
Mangovitra hihaona aminao
Ela tsy tony ka mienta-kafaliana,
Nangovim-pahakiviana
Ilay fo ao anaty, miandry anao foana
Angamba na ho tsara na ho ratsy de iriko mba hanoloana
Ilay fitia nifamatotra, mbola mitoetra
Ka na voarara na tsia de tsy mba hanam-petra
Fa tiko loatra raha ianao
Sanatria raha ny hoe “hifandao”
Tsika mbola maniry ankany
Fiadanan-tsaina eto an-tany
Tiko tena tiko, andefy mandry mba hany faniriko
Mivavaha aky malala
Ho mandrakizay itony tantara
Mamiko loatra ange ianao e!
Angamba de fitia mihoapampana ka tsy ho sapana
Anao rery de ahy rery
Mamiko toa tantely
MALALA Ô! Mba efa mivavaka ve ianao
Nametraka eo anatrehan’ny pandidy
Fa ny anjara no izy fa ny antsika ange ka safidy e!
Aza sasatra aky malalako
Fa izany no mba isasarako
De ianao tiko indrindra
No mba hamelako singa na hoe “sombin’aina” ho fiadanan-tsaina
(Ilay FANAMBY,fitiavana,desambre2021)
--------
Lien:
